4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Raphael louis rafiringa - Ny Ainga

Dibo-kafaliana ny fonay ry Rainay ô !

Andriamanitra ianao ka isaoranay

Zanaharinay Ray ô tena tianay é

Andriamanitra ianao ka toloranay vetson piderana

Nosoavinao tamin’ny olo-kendry ny taninay é

Olokendry iray nanasoa anay

Tamin’ny fahalalana Rapahël Louis

Ilay finidinao reharehanay



Fiainam-baovao no lovasoa napetrany

Fa ny ara-panahy sy ny Tanindrazana

Dia indray nasandrany tamin’ny fampianarany

‘Lay fanasin’ny tany modelinay,kiady sy ampinga

Mpiaro ny sekoly sy ny fiangonana an-kasahiana

Herinay ianao frera Raphaël Louis RAFIRINGA

Andrarezinay ka tohananay ampitokiana



Ref: Ny tantarany ny fampianarany

Dia mitoetra tokoa ho fahendrena soa

Ny fiangonana sy ny ankohonana

Notinaizany Raphaël Louis ô

Misaotra é misaotra é

Izy no atolotray re ry Ray ô!

Raiso eo antanananao re ny finoany

Aoka hiharihary izy Ray ô!

Izay no filamatra asandratray é! Eny re!

Amin-karavoana no anolorana azy

Amin-karavoana tokoa tokoa no hanadratra azy

Dia amin-kafaliana sy amim-pitsikiana

Dia ankafalian sy fitsikiana manolotra azy



Ilay andrarezin’ny fanabeazana ô!

E! Raphaël Louis e!

‘ry ilay olomangan’ny fanabeazana  ô !

E! Raphaël Louis dia misaotra ny anaranao

Dia misaotra amin’ny vitanao

Isaorana anie ianao  ,dia misaotra amin’ny asanao

Fa mitoetra ny anaranao

Dia misaotra é!



Saina fo fanahy

‘Zay hanavao ny tany e!e!

Fa finoana mifaka amin’ny Evanjely ô!

‘Zay no tarigetrany,izay no fampianarany

Evanjely mifaka amin’ny kolontsaina ho tonga nofo

‘Lay soatovin’ny Malagasy efa alin-kisa

Fiangonan-tsy ho ravan’izay tafiotra mifofofofo

Hanavao ny tanin’ny Malagasy ho paradise



OM GUI (NY AINGA)

Partager raphael louis rafiringa

Commenter raphael louis rafiringa

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Ainga

Suite